FALY MIARAHABA ANAO I KOFBAY
Nampidirin'i kofbay | 28 Okt, 2007
Faly miarahaba anareo ny tenako, ary maniry aho ny hifanakalo hevitra na tsikera na torohevitra sy fampahalalana isan-karazany. Eto Antananarivo aho, ary ny alika no tena fialamboloko! tsy mifidy alika aho na 'alikagasy' na 'chien de race' na inona fa rehefa tiana ny ahy dia mety avokoa! ho an'ny any ivelany dia torohevitra na vaovao isan-karazany mahakasika ny fiompiana sy ny fitaizana no ilaiko fifanakolazana aminareo. Ho an'ireo eto an-toerana kosa dia ankoatran'ireo aho dia mila fifaneraserana sy fifanampiana, toy ny hoe: fampanarahana (saillie), fifanakalozana traikefa eo amin'ny resaka ara-tsakafo, fifanoroana adiresy ilaina, toy ny hoe: mpibaiko mahay, dokotera, fanafody, kojakoja (mpivarotra na mpanaboatra), fifampivarotana na fifanakalozana, na fanomezana. marihiko fa tsy nataoko hanana endrika varotra akory ity blaogy ity fa hifanerseran-tsika mpitia alika